• Ndeha ary ianarana ny fomba ampiasana ny tanjaky ny Teny , ny fomba ampiasana azy amin'ny tena , ho anao. Ny fandrafetam-pitenenana miabo dia hairaha izay mitaky fitsipika tsotra sy mora ampiasaina .

    Ny BB "idéaly" dia manana toetra takiana izay hotanisaiko manaraka eto . Ny hoe idealy tiako holazaina eto dia ilaina tsipihana fa tsy voatery hitovy daholo ho an'ny rehetra . Ny tsirairay no misafidy izay mifanaraka aminy araky ny mahaizy azy .

    Fa amin'ny ankapobeny dia tsimaintsy manaraka fepetra vitsivitsy ny Rafimpitenenana mba handaitra tsara.

    Fepetra voalohany :

    Ny BB dia arafitra ho MIABO arak'izay azo atao :

    Ohatran'ny "fahamarinan'ingahy La palice " izany (izany hoe mazava ho'azy) satria hatramin'ny voalohany dia efa resaka miabo foana no resaka . Azavaiko . Mba handaitra ny BB iray , ary indrindra indrindra mba tsy hamokatra traika mifanohitra amin'ny nokatsahina , dia tsimaintsy milaza ny zavatra tediavina mivantana , fa tsy ny fandavana ny tiana hialana .

    Arak'izany , ny fitenenana hoe "Tsy misy 'ulcère' intsony ny vavoniko " dia avela fa ny ampiasaina kosa dia ny hoe : "Mahalevon-kanina tsara ny vavoniko".
    Ny fitenenana hoe "tsy matory maraina intsony aho" dia soloina amin'ny hoe "Tafafoha maraina foana aho , ary mavitrika" .
    Ny fitenenana hoe : "Tsy hotambesarin-trosa intsony aho manomboka izao" dia soloina hoe : "Mitombo hatrany ny fahaizako mitantam-bola"

    Antony roa lehibe no andrafetana ny BB toa io :

    -Voalohany : ny "FI-HAIKA-INA" ny vokatra tiana ho azo , na tanjona tian-kotratrarina dia manentana sy manetsika mivantana ny AF ka mandaitra kokoa nohon'ny fitsipahana tsotra ny TSY ilaintsika .
    -Faharoa :Efa hitantsika fa ny AF dia MANOINA . Manoina izy fa tsy manadihady , tsy mitsikera . Tsy afaka izy ohatra ny handanjalanja izay safelimpelin-teny etsy na eroa mba hahazahoany maka fanapahankevitra . Ny fantany sy mahatonga azy hanoina dia ny HEVI-DEHIBE henony ao amin'ilay Rafiteny nobaikobitsihana .

    Raisina ohatra ny tetsy aloha "tsy misy 'ulcère' intsony ny vavoniko" sy ny hoe :" tsy matory maraina intsony aho" . Inona ireo hevi-dehibe ren'ny AF?
    Satria ianao tsy afa-mitondra ny valiny , dia voatery aho manao izany amin'ny toeranao dia fantaro amin'izay ny ao an-tsaiko .

    Anatin'ireo Rafipitenenana ireo , ny mibahana dia ny hoe "ulcère" , "vavony" sy "matory" , "maraina" . Raha tenenina haingana ireo Fehezan-teny ireo , na henonao any alavidavitra , dia ireo teny mibahana ireo ihany no hovoatazonao , hotandrinao . Ka torak'izay koa no tandrin'ny AF . Tsy henony , tsy tandriny ny "négation" (ny teny hoe "tsy" dia miafina aminy)

    (Hitohy amin'ny hoe inona no mari-potoana ampiasainao amin'ny fandrafetana  BB ?


    votre commentaire
  • Homeko fitaovana matanjaka hiarovanao tena ianao . Aza andrasana ela fa tohero haingana , lavo haingana ny BB eritreretinao fa manimba . Ny AF dia saha araka ny efa nolazaina : misy masomboly miiba mitady hifafy ao , aza avela haka faka izay mitsimoka .

    Tsara lavitra nefa ny fampiasana ny lalànan'ny FIFANAKALOZANA . Ampiasao ny lalàna velon'ny Fanahy izay tsy vitan'ny miady amin'ny firehana vaovao miiba mitady hihazo ny AF , fa ankoatr'izay dia miady koa ny efa tranainy izay efa zary tandra vadin-koditry ny maha-ianao anao .

    N'iza n'iza , na ianao na ny hafa mamafy BB miiba dia tohero hentitra eo no ho eo amin'ny FANOLOANA izany amina BB mifanohitra aminy , izany hoe miabo .

    Arak'izay , raha averimberin'ny olona aminao fa tsy hahomby ianao , na tsy ho "tafavoaka" , tonga dia tohero avy hatrany amin'ny hoe "hahomby aho, hitombo sy hivoatra isan'andro ny fiainako" (hohitantsika tsy ho ela ny fomba filaza ny TENY miabo)

    Mbola tahak'izany koa , raha tsikaritrao ianao fa nieritreritra an-tsaina ny hoe "Toa ohatran'ny harary aho izany " , dia mety harary marina tokoa ianao arak'ilay fomba efa noresahana , ny BB dia mihazo ny AF-nao izay efa babony ka maneho izany aretina izany ao amin'ny vatanao . Fa tohero tsy misy hatakandro ilay izy . Teneno ohatra hoe : " Mivoatra isan'andro isan'andro ny fahasalamako , rahampitso maraina aho hifoha salama vatana tsara ary ho afa-bizana" .

    Zava-dehibe loatra io . Tsimaintsy tandremana tsara ny fihetsiky ny Eritreritra . Ny Hevitra mikasika aretina dia mitady hisisintsisika amin'ny fomba tsy re-tsaika any amin'ny AF . Efa tara foana vao tonga saina amin'izany isika . Efa niseho ilay aretina . Azo iadivana amina BB ihany nefa izany , kanefa mbola hafa ihany raha natao nialohan'ny hipoirany , fony izy mbola vao nitady hitsaika tao an'Eritreritra .

    Noho izany ary , dia miambena . Meteza ho mpiambina ny Eritreritrao ianao . Mba hiaina sambatra dia tsimaintsy misaina fahasambarana . Lalàna voajanahary ary manerana izany , ka tsy mety hovàna , tsy analàna, tsy anesorana .

    (Hitohy amin'ny hoe : Teny vitsivitsy afaka manova ny fiainanao )


    votre commentaire
  • Tsy vitan'ny hoe tokony hitandrina amin'ny BB tsy fanahy hiniana ataonao amin'ny tenanao isan'andro ianao (BB manimba , indrisy) , fa koa tsimaintsy misahaha ireo BB avy any amin'ny hafa .

    Hita ny voka-dratsiny eo amin'ny olona iray . Nefa na izany aza dia tsy tokony hikoropaka . Tamin'ireo tranga novelabelarina dia ny FANEKENA ny BB miiba amin'ny Nymahatsiaro no resaka . Eo no mitoetra ny loharaon'ny ratsy . Fa ny BB TSY NEKENA kosa dia tsy mandaitra . Miraraka fotsiny tahaka ny rano atondraka lamosin-ganagana . Miempaka mora fotsiny tahaka ny tain'omby latsaka am-bovoka .

    Dia hoy indray ianao angamba hoe : mora tenenina ny fandavana ny BB miiba avy any ivelany , fa sarotra tontosaina . Matetika dia tsy voafehy .

    Na koa , amin'ny ankapobeny dia tahak'izao no miseho , ny BB miiba dia mahita toerana efa vonon-kandray azy ao an-tsaintsika ao . Efa nananantsika ny fisalasalana , eritreritra tsy mandry , tahotra , izay azo lazaina fa tany malemy nahazahoan'ny BB miiba anorenam-pangady .

    (Hitohy amin'ny hoe : ahoana kosa ary no fomba iarovan-tena amin'ny BB miiba ?)


    votre commentaire
  • Tiako ny mitondra eto ny lisitry ny fomba fiteny mahazatra ka tokony hofoananao tanteraka amin'ny Fiteny fampiasanao , ary indrindra fampiasanao an'Eritreritra anaty . Angamba misy amin'izy ireo no averimberinao an'Eritreritra matetika , nefa tsy ampoizinao . Izy ireny dia tahaka ny "ozona" atsipinao ho anao ihany .

    Fa alohan'izay aloha dia misy fanamarihana fanampiny kely . Fantatra hatry ny ela ny Herin'ny Teny . Eritrereto fotsiny ohatra ny maha-zava-dehibe ny "vavaka" amin'ny finoana maro -tsipihina manokana ohatra , amina finona tatsinanana , ny fampiasana MANTRA , fototry ny resaka "MEDITATION" , izay teny averimberin'ny "Mpianatra" tsy mitsahatra , ary manana herimiafina mahatalanjona .

    Ny Baikobitsintena , ny famerenana fehezan-teny na "formule" dia karazana "vavaka" na "MANTRA" , fa kosa SIANTIFIKA , ary araka ny voalaza teo aloha , dia ampiasain'ny Mpitsabo maro enran-tany . Ny amina resaka Mazia ihany koa dia mampiasa "formule" antsoina hoe "formule magique" , ary misy roa karazana izy ireo : ireo mikasika ny fahatsarana, ary ireo mikasika faharatsiana . Ny Baikobitsintena ihany koa dia manana FAHEFANA MAHAGAGA , na MAJIKA .

    Ireto ary ny lisitry ny Frazy tsimaintsy alavirina tanteraka .

    -Tsy afaka aho, tsy tafa, tsy vitako izany.
    -Tsy tokony aho.
    -Handamoka io , na aho.
    -Ratsy vintana aho
    Tsy natao ho ahy izany.
    -Efa osa aho , na efa antitra loatra amin'izao.
    -Tsy nahomby mihitsy aho hatreto , ka amin'ny fomba ahoana no ahombiazako ankehitriny!?
    -Tsy misy tia ahy.
    -Tsy olona mahatehotia aho .
    -Ho faillite ny orin'asako na izaho.
    -Ho voaroaka amin'ny asako aho (na hafa)
    -Hilaozan'ny vadiko aho (na hariany)
    -Hanjoretra mandrakizay ny fiainako.
    -Harary aho , ho farofy.
    -Rera-dava aho.
    -Complexé aho (mieritreritra ny tenako ho ambany Saranga)
    -Saro-kenatra aho.
    -Tsy haiko ny miatrika vahoaka amin-kerim-po.
    -Tsy misy mandraharaha ny tenako.
    -Tsy ho lasa alavitra aho amin'ny fiainana.
    -Tsisy vidiny aho , tsisy valerany.
    -Tsy natao ho ahy ny fahombiazana.
    -Ratsy vintana aho.
    -Tsy ho tafavoaka aho.

    Ny Lisitra dia azo tohizana lava , fa avela eo aloha fa efa ampy ireo ahafantarana ny tiako ahatongavana . Raha avadika ho "ianao" ny "aho" na "izaho" , dia ho fantatra ihany koa ny lisitry ny fehezanteny na ozona izay tsimaintsy itondrana "aro-afo" , fiarovan-tena . Tsimaintsy bahanana ny "fampiantranoina" izany anaty AFn'ny tena .

    Raha misy olona iresahanao ny "tanjona tratrarinao" , tanjona inoanao fa ho tomombana , nefa mahazo avy aminy ianao hoe " tsy hahomby ianao" , dia aza manaiky an'io BB io . Raha manaiky an'io BB io ianao dia manomboka eo ny farany , fa ho "tapitra eo ny tantaranao" , ho "tampina eo ny daominao" . Hirodana ny "Fahatokisan-tenanao" , ary handamoka ny tanjonao , dia namiratra sy nahavelom-panantenana aok'izany aza .

    Nanaiky ny Eritreritra fandamokana , faharesena tao anaty sainao ianao , ka araka ny lalàm-pisehoana (fomba mitovy amin'ny lalam-pamafazana io) dia hiseho sy hihatra amin'ny fiainanao sy ny momba azy ny Eritreritra neken'ny AF-nao.

    FANAZARANA : Ataovy ny lisitry ny "ozona" izay eitreretinao fa afafinao aminao indraindray . Ampio ombieny ombieny io lisitra io.

     

    (Hitohy amin'ny hoe : Ahoana ny fomba hiarovan-tena amin'ny BB mamohehatra avy any ivelany , na avy amin'ny manodidina ?)


    votre commentaire
  • Noho izany antony izany no anomezana lanjany ny Eritreritra tsakotsakoin'ny Fanahy andavan'andro . Ny tsirairay dia miteniteny irery ao an'Eritreriny ao amin'ny ankapobeny .

    Mba fantatrao ve fa io Fitenenanenan-drery io , na ohatran'ny amaivanina aza , dia misy fiantraikany lehibe amin'ny fiainanao ? Tsy mijanona mihitsy ny fandefasanao BB mankao amin'ny AF-nao , AF izay tahaka ny "éponge" ka mifoka izay rehetra sendra azy , na miabo io na miiba .

    Ataovy indray ny Fitsikeran-tena tsotsotra fa hanampy anao izany . Inona avy ireo Eritreritra mibahana ny tontolonao ? Ny isan'andronao ?

    Maro ny olona , na tsy manao fanahy hiniana aza , no mamerimberina an-tsaina foana ny hoe : "tsy misy manjary mihitsy ny fiainana , sarotra ny fiainana ary mankaleo , ny ankabeazan'ny olona dia ratsy , masiaka , samy reraka ,...."

    Alohan'ny zava-dehibe hiseho, ohatra hoe fihaonana amin'ny Patron itediavana asa , na fihaonana voalohany amin'ny "silampanahy" ,...dia miraradraraka aok'izany ny teny anakam-po . Amin'ny ankapobeny dia miiba , na miampanga tebiteby anaty . Tonga dia raisin'ny AF izany ary ampitomboiny fatratra .

    Amin'ny tranga toy izany dia mazava loatra fa manjary mifanohitra amin'izay mety aminao ny AF-nao . Mety miteraka voka-dratsy misavovona izany . Tahak'izany no mahatonga olona mpihira , manan-talenta harenty voalohany ho tankim-peo . Olona mpanao sehosehatra manadino ny "tsianjery" . Maro dia maro ny ohatra azo entina no tahak'izany .

    (Hitohy amin'ny hoe Atsaharo ny manipy hoditr'akondro amin'ny tenanao , na mitondra ozona ho amin'ny tenanao )


    votre commentaire



    Suivre le flux RSS des articles
    Suivre le flux RSS des commentaires