• Ahoana no fomba hiarovan-tena amin'ny Baikobitsika mamohehatra avy any ivelany , na avy amin'ny manodidina ?

    Tsy vitan'ny hoe tokony hitandrina amin'ny BB tsy fanahy hiniana ataonao amin'ny tenanao isan'andro ianao (BB manimba , indrisy) , fa koa tsimaintsy misahaha ireo BB avy any amin'ny hafa .

    Hita ny voka-dratsiny eo amin'ny olona iray . Nefa na izany aza dia tsy tokony hikoropaka . Tamin'ireo tranga novelabelarina dia ny FANEKENA ny BB miiba amin'ny Nymahatsiaro no resaka . Eo no mitoetra ny loharaon'ny ratsy . Fa ny BB TSY NEKENA kosa dia tsy mandaitra . Miraraka fotsiny tahaka ny rano atondraka lamosin-ganagana . Miempaka mora fotsiny tahaka ny tain'omby latsaka am-bovoka .

    Dia hoy indray ianao angamba hoe : mora tenenina ny fandavana ny BB miiba avy any ivelany , fa sarotra tontosaina . Matetika dia tsy voafehy .

    Na koa , amin'ny ankapobeny dia tahak'izao no miseho , ny BB miiba dia mahita toerana efa vonon-kandray azy ao an-tsaintsika ao . Efa nananantsika ny fisalasalana , eritreritra tsy mandry , tahotra , izay azo lazaina fa tany malemy nahazahoan'ny BB miiba anorenam-pangady .

    (Hitohy amin'ny hoe : ahoana kosa ary no fomba iarovan-tena amin'ny BB miiba ?)


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :