• Atsaharo ny fanimpazana hoditr'akondro ho an'ny tenanao na mitondra ozona hoa anao

    Tiako ny mitondra eto ny lisitry ny fomba fiteny mahazatra ka tokony hofoananao tanteraka amin'ny Fiteny fampiasanao , ary indrindra fampiasanao an'Eritreritra anaty . Angamba misy amin'izy ireo no averimberinao an'Eritreritra matetika , nefa tsy ampoizinao . Izy ireny dia tahaka ny "ozona" atsipinao ho anao ihany .

    Fa alohan'izay aloha dia misy fanamarihana fanampiny kely . Fantatra hatry ny ela ny Herin'ny Teny . Eritrereto fotsiny ohatra ny maha-zava-dehibe ny "vavaka" amin'ny finoana maro -tsipihina manokana ohatra , amina finona tatsinanana , ny fampiasana MANTRA , fototry ny resaka "MEDITATION" , izay teny averimberin'ny "Mpianatra" tsy mitsahatra , ary manana herimiafina mahatalanjona .

    Ny Baikobitsintena , ny famerenana fehezan-teny na "formule" dia karazana "vavaka" na "MANTRA" , fa kosa SIANTIFIKA , ary araka ny voalaza teo aloha , dia ampiasain'ny Mpitsabo maro enran-tany . Ny amina resaka Mazia ihany koa dia mampiasa "formule" antsoina hoe "formule magique" , ary misy roa karazana izy ireo : ireo mikasika ny fahatsarana, ary ireo mikasika faharatsiana . Ny Baikobitsintena ihany koa dia manana FAHEFANA MAHAGAGA , na MAJIKA .

    Ireto ary ny lisitry ny Frazy tsimaintsy alavirina tanteraka .

    -Tsy afaka aho, tsy tafa, tsy vitako izany.
    -Tsy tokony aho.
    -Handamoka io , na aho.
    -Ratsy vintana aho
    Tsy natao ho ahy izany.
    -Efa osa aho , na efa antitra loatra amin'izao.
    -Tsy nahomby mihitsy aho hatreto , ka amin'ny fomba ahoana no ahombiazako ankehitriny!?
    -Tsy misy tia ahy.
    -Tsy olona mahatehotia aho .
    -Ho faillite ny orin'asako na izaho.
    -Ho voaroaka amin'ny asako aho (na hafa)
    -Hilaozan'ny vadiko aho (na hariany)
    -Hanjoretra mandrakizay ny fiainako.
    -Harary aho , ho farofy.
    -Rera-dava aho.
    -Complexé aho (mieritreritra ny tenako ho ambany Saranga)
    -Saro-kenatra aho.
    -Tsy haiko ny miatrika vahoaka amin-kerim-po.
    -Tsy misy mandraharaha ny tenako.
    -Tsy ho lasa alavitra aho amin'ny fiainana.
    -Tsisy vidiny aho , tsisy valerany.
    -Tsy natao ho ahy ny fahombiazana.
    -Ratsy vintana aho.
    -Tsy ho tafavoaka aho.

    Ny Lisitra dia azo tohizana lava , fa avela eo aloha fa efa ampy ireo ahafantarana ny tiako ahatongavana . Raha avadika ho "ianao" ny "aho" na "izaho" , dia ho fantatra ihany koa ny lisitry ny fehezanteny na ozona izay tsimaintsy itondrana "aro-afo" , fiarovan-tena . Tsimaintsy bahanana ny "fampiantranoina" izany anaty AFn'ny tena .

    Raha misy olona iresahanao ny "tanjona tratrarinao" , tanjona inoanao fa ho tomombana , nefa mahazo avy aminy ianao hoe " tsy hahomby ianao" , dia aza manaiky an'io BB io . Raha manaiky an'io BB io ianao dia manomboka eo ny farany , fa ho "tapitra eo ny tantaranao" , ho "tampina eo ny daominao" . Hirodana ny "Fahatokisan-tenanao" , ary handamoka ny tanjonao , dia namiratra sy nahavelom-panantenana aok'izany aza .

    Nanaiky ny Eritreritra fandamokana , faharesena tao anaty sainao ianao , ka araka ny lalàm-pisehoana (fomba mitovy amin'ny lalam-pamafazana io) dia hiseho sy hihatra amin'ny fiainanao sy ny momba azy ny Eritreritra neken'ny AF-nao.

    FANAZARANA : Ataovy ny lisitry ny "ozona" izay eitreretinao fa afafinao aminao indraindray . Ampio ombieny ombieny io lisitra io.

     

    (Hitohy amin'ny hoe : Ahoana ny fomba hiarovan-tena amin'ny BB mamohehatra avy any ivelany , na avy amin'ny manodidina ?)


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :