• Fiovana tsy misy tahotra

    Iverenantsika kely ny fahasamihafana misy voalaza tany amboalohany eo amin'ny Hypnozy sy ny Hypnosintena . Ny Hypnozy dia misy ny Mpanao ary misy ny Iharana .Ny Mpanao Hypnozy dia mizaka ny fanaovana rehetra , fa ny Iharana kosa dia mandray ny baiko sy sosonkevitra rehetra .

    Tonga dia tsipihina eto fa ny Iharan'ny Hypnozy dia tsimaintsy resilahatra ka manaiky sy mankatoa ary antsitrapo fa tsy terena mba hihazo ny toetra Hypnozy . Tsy araka ny eritreretin'ny olona sasany nefa , fa ny Iharany dia tsy hanaiky rahateo ny zavatra mifanohitra amin'ny Fotompinoany manokana .

    Misy ny Literatiora maivankitsaka na tahirin-tsrimihetsika pentsambava no mivoy fa voahitsaka ny Iharana. Nefa tsy mitombina velively izany.

    Na izany na tsy izany nefa dia tsy misy atahorana ny voiziko satria amin'ny Hypnozintena dia ny tenanao ihany no mizaka ireo mpilalao roa ireo dia ny Mpanao sy ny Iharana izany. Ianao no Mpanao ny Hypnozy, ary ianao ihany koa no Iharan'ny Hypnozy. Feno ny fahalemana arak'izany.

    Ambonin'izany dia tsy sarotra ny mihazo ny Hypnozintena sady mora , tsy mandany vola . Ianao ihany no miatrika ny tenanao . miaraka sy miatrika ny faran'izay lalina sy faran'izay matanjaka amin'ny maha ianao anao . Miditra lalina anatin'ny maha-olona anao.

    Tsy arentinao amin'olon-kafa ny olanao . Ianao tenanao ihany no miahy ny aminao , misahana ny vatomisakana tianao hihoarana sy ireo fahazarandratsy tianao hialana . Tsy izany va no tediavina ?

    (Hitohy amin'ny hoe : Hiety aminao va ilay izy? )


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :