• Hiety aminao ve ilay izy ?

    Misy ny olona misalasala , miahiahy mahakasika ny Hypnozintena ka mahavatra manambara aza fa ny marivosalosana sy ireo tsy manan-kazondamosina no afaka mampiasa ny Hypnozintena.

    Mifanipaka tanteraka amin'ny fahamarinana nefa izany. Ny traikefa dia mamamporofo ny mifanohitra amin'izany. Tsy ny traikefako ihany fa ny an'ireo dokotera maro , ireo psykology sy mpitsabo isan-karazany.

    Ambonin'izany , maro ireo olo-malaza tahaka an-dry Henri Ford , Thomas Edison , ireo Mpanakanto sy mpanoratra fanta-daza maro dia mampiasa ny Hypnozintena ho fitaovana hanampy azy ireny . Ny tsirairay, na toa inona na toy inona toetrany amin'izao , dia samy afaka hahomby avokoa amin'ny fampiasana ny Hypnozintena tsy misy raorao .

    Fantaro koa fa na tsy manampo izany aza ny tenanao , dia efa niharan'ny Hypnozy . Ny tenanao ihany no antony . Rehefa liana tanteraka eo am-pamakiana boky tantara , na eo am-pijerena sarimihetsika , na eo am-pihainoana mozika , rehefa iny tsy mahatsiaro intsony ny firiotran'ny fotoana iny satria revo amin'ny asa na taozavatra atao , rehefa sondriana sy mitolagaga eo ampihainoana mpikabary mahay manintona -ary vakivava mihitsy aza indraindray ny sasany ka mahalaza fa voapnozin'ilay mpikabary ny tenany . Ireny rehetra ireny dia efa karazan'ny toetra Hypnozy daholo .

    Noho izany dia voajanahary tokoa io toetra io , ary ny tahotra mikasika azy dia tsy mitombina.

    NY HYPNOZY DIA TOETRA VOAJANAHARY IRAY AO AMIN'NY NYMAHATSIARO (Conscience) .

    Ny fitandremana tokana tokony atao an-tsaina dia ny hampiasana ny Hypnozintena amin'ny aradalàna mikasika ny soa ho an'ny tena .Satria hotsapantsika tsara eto am-pamakiana ireo pejy ho avy manaraka fa ny herin'ny Hypnozintena na ny Hypnozy dia miasa tsy mitsahatra amin'ny fiainatsika . Tandremo nefa fa amin'ny ankapobeny dia tsy tsapantsika akory ilay izy kanefa io heriny io dia mety MANOHITRA antsika .

    Tsara vintana tokoa ianao noho izany mamaky an'izao voasoratra izao anio fa tsy amin'ny herintaona , na afaka folo taona , satria raha tsy miaiky afatsy io fahamarinana izay zava-dehibe io aza ianao , dia efa tsy very andro sy fotoana fotsiny aho nanoratra sy nanajary ity fampianarana ity .

    Ny marina ny hoe , ny fiainanao no taratry ny eritreritrao ary hiverenantsika matetika ny mikasika an'io amin'ireo pejy ho avy .

    Raha fintinina hatreto dia azo lazaina fa fitaovana "moderne" , tsotra indrindra , mahery indrindra ny Hypnozintena ahafahana mifandray amin'ny Atifanahy ka hampiasana ny herivaikan'ito farany .

    (Hitohy amin'ny hoe : Ny herivaika mahagagan'ny Atifanahy)


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :