• Ireo hery miafina anatinao

    Inona no atao hoe "suggestibilité" ? Tsotra dia tsotra , tsy inona akory fa ny fahafahana sy fankatoavan'ny atifanahy ny fandraisana ny toromarika atolotry ny Nymahatsiaro (conscient). Toromarika na baiko miraika ary voaomana mahakasika ny fanirian'ilay olona mpandray.

    Zavadehibe ny ahazahoana tsara an'io teny io. Satria ny Hypnozintena dia hairaha ahafahana miditra malalaka sy mora mba ifandraisana amin'ny Atifanahy ka hanovozana ny soa avy aminy , hampiasana azy hitondra soa ho an'ny tena fa tsy hanimba ny Tena (fanimbana ny Tena izay mateti-piseho indrisy).

    Efa voaporofo fa ny ankabeazan'ny olombelona dia tsy mampiasa afatsy ny 10% n'ny atidohany . Misy aza, mpikaroka maro, milaza fa 4% fotsiny izany.

    Ny Hypnozintena dia mampakatra marindrano an'izany tarehimarika izany ka ahafahana mampiasa azy mba hitrandrahana ny herimiafin'ny Atifanahintsika (Ny fanahy no maha-olona hoy ny Ntaolo , RC)

    Efa hatrizay naha tany ny tany no nantitranterin'ny manampahendrena fa tokony hifoha ireo matory. Ka ny Hypnozintena dia manampy izany fifohazana izany . Izy no fomba tsotra sy haingana indrindra ahafahantsika mihazo ny tanjona tratrarintsika ka hitsikasinan'ny MAHAIZY antsika sy ivelarantsika amin'ny fahalalahana tanteraka.

    Tsotra ,

    Ho tsapanao eto am-pamakiana izany . Ombieny ombieny dia nisy ny fanatsarana natao arakaraky ny tsikera sy ny fifanakalozana tamin'ireo olona nampianariko. Noho izany dia izay mahay mamaky rehetra dia ho afaka ny hiova fenitra ara-piainana amin'ny alalan'ny Hypnozintena.

    Malaky ,

    Eo am-piandohana fotsiny , andro vitsivitsy fotsiny , dia hotsapanao ny fiovana mahagaga miandry anao .Fiovana izay efa nandrasanao ela angamba , ary angamba koa efa ELA LOATRA .

    Tonga ny andro , ela ny ela , andraisanao an-tanana ny hoavinao ka ibaikonao ny fiainanao fa tsy hahatonga anao hobaikony lalandava.

    Herinandro vitsy , rehefa manao fampiharana mandritra minitra vitsivitsy isan'andro , dia ho gaga amin'ny tenanao ianao. Ho tonga olom-baovao ianao . Olom-baovao izay efa nirinao hatry ny ela . Olona mivelatra, niha-matotra , miha-sambatra . Mizaka aradalàna sy mandray an-tanana ny hoavinao. Ka moa tsy izany va no nofinofy irin'ny rehetra , na lahy na vavy ?

    (Hitohy amin'ny hoe : Fiovana tsy misy tahotra )


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :