• Mahery sady matanjaka ny Atifanahy satria miasa ambadika , miafina amintsika

    Mbola lava dia lava , ary betsaka dia betsaka ny ohatra azo tanisaina . Ao ireo mbola henjana sy mavesa-danja lavitra noho ireo efa voalaza . Ao ireo mahamirimiry.

    Fantatrao ve ohatra fa ny tsy fahombiazana miverimberina mahazo olona iray dia avy amin’ny Atifanahy na dia olona havanana, maranin-tsaina , mazoto miasa aza izy ?

    Fantatrao ve fa Torak’izany koa ny amina resaka fahapotrahana ara-pitiavana ?

    Fantatrao ve fa ny ankamaroan’ny aretina miainga, mitsiry ary mitombo amin’ny Atifanahy ?

    Ohatra hafa izay fahita in’arivony .Misy ohatra vehivavy iray , sady tsara terehy no manana asa , tsara fanambadiana , manana namana , mahazo fialan-tsasatra isan-taona , nefa tsy hay loatra ny manjo azy fa MALAHELO , tsy sambatra.

    Nanandrana namono tena mihitsy aza izy vao tsy ela izay. Mihombo hatrany ny « dépression » mahazo azy. Tsapany hatrany fa ho potraka izy no iafarany . Ary ny tena loza, dia tsy misy mino izay lazainy momba azy ireo havany fa heverin’ireo ho « mila voatsiary » . Eritreretin’ny olona fa mandainga fotsiny izao izy , tsy mahay sambatra hoy ny olona. Ataon’ny olona ahoana tokoa moa ahafahany mino izany nefa ilay vehivavy manana ny rehetra nefa miseho mitaraina ho mijaly ?

    Kanefa io vehivavy io dia tsy mandainga mihitsy . Ny tena marina no lazainy rehefa mitsotra miresaka ny momba azy izy . Ny Atifanahiny no mahery noho izy . Tany ho any , tany aloha tany , dia tsimaintsy naharay « Baikobitsika miiba » izy (programmation négative) . Io Baikobitsika io no nihombo rehefa nandeha ny fotoana .

    Ny Atifanahy no mahery lalandava , ary tompon’ny teny farany foana . Ary izany dia tsy mivena mihitsy raha tsy misy indray ny « Baikobitsika miabo » (programmation positive)

    Arak’izany , raha misy olona roa samihafa , ka ampivoarina amina toe-javatra mitovy dia mety hifanipaka toy ny atsimo sy avaratra ny fihetsiny . Ny iray mety tsy hihontsona akory fa ilay faharoa kosa mety ho tafalatsaka anaty « dépression » mihitsy. Ka ny toe-panahy no iankinan’izany.

    Ireo ohatra vitsivitsy ireo dia antenaiko fa ho ampy haharesy lahatra anao ny amin’ny hery goavana ananan’ny Atifanahy .

    Matetika dia oharina amina « iceberg » ireo singa roa ireo dia Nymahatsiaro sy ny Atifanahy , ka ny Nymahatsiaro dia ilay ampahany kely hita maso mitsikafona ivelan’ny rano , fa ny ampahany lehibe lavitra kosa dia tsy hita maso fa ao anaty rano ao , io no Atifanahy.

    Io kisary io dia manambara mazava ny maha-samihafa ny hery mikasika ireo singa roa ireo . Ka ny Atifanahy no mahery lavitra na dia miseho sy mieritreritra fa matanja-tsaina tanteraka azy ny Nymahatsiaron’ilay olona .

    Rehefa resilahatra ny olona iray ny amin’izany herin’ny Atifanahy izany , dia amin’izay fotoana izay ihany izy vao afaka mieritreritra fa hahita fiovana araka ny faniriany .

    (hitohy amin’ny hoe : Maro ireo Baikobitsika (programmation) amin’ny Atifanahy no natelina tamin’ny androm-pahazazana)


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :