• Maro ireo RB (Rindrabitsika, programmation) miantefa amin'ny Atifanahy no natelina tamin'ny androm-pahazazana

    Fatiantoka lehibe ny androm-pahazazana hoy i Descartes . Tsy hoe tsy tiany ny androm-pahazazana no hevitr'izany satria na izy aza dia Raim-pianakaviana , fa ny tiany havoitra dia satria ny Fanahy mandritra ny Fahazazana dia mora mandray tsy misy fanadihadiana izay finoana (préjugés) na finoanoam-poana , na baikobitsika isan-karazany . Voatery mila taona maro dia maro indray vao vita ny famafana azy ireny satria vatomisakana ny ahiahy tsy mitsahatra eo am-panaovana io fanadiovana io .

    Ireo Raiamandrenintsika dia nandrindrabitsika antsika , amin'ny ankapobeny , tamin'ny fomba tsy tsara , nohon'ny tsy fahafantarana koa .

    Ny Atifanahin'ny zaza , dia mora dia mora ny mamolavola azy . Mora amelana diany tahaka ny fitombokase eo ambony lasira malemy . Amin'ny ankapobeny dia mila taona maro vao tsapa izany , ary tahak'izay koa (farafaharatsiny raha ilaina izany) ny fanafoanana ireo "voasoratra" miiba vita sokitra ao amin'ny Atifanahin'ny Fahazazana .

    Soa ihany fa eo ny Hypnozintena ka ahafahantsika mampiasa azy mba ho fitaovana hanaovana Rindrabitsika mandrava sy mamafa ny efa eo aloha voalohany . Avy eo kosa dia anaovana Rindrabitsika manorina arakaraky ny faniriantsika sy ny hetahetantsika .

    Azo atao ny mandrava , tahaka an'i Decartes , tsy ny hevi-diso noraisina ihany , fa , ihany koa , ireo fahazaran-dratsy , ireo firehana mamoehatra , ireo fiononam-po amin'ny fahamavomavoana sy ny fahantran-tsaina sy vatana , amin'ny fidonanam-poana . Manozona ny tenantsika ho fadiranovana sy malahelo izany ka anterina fa soa ihany fa teo ny Hypnozintena hampiasaina hanarenana an'izany .

    (Hitohy amin'ny hoe : Ahoana no fiasan'ny Atifanahintsika ?)


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :