• Ny Atifanahy (AF) dia Mpanitatra (Amplificateur) matanjaka.

    Nianjadian'ny Herin'ny Teny ianao , Hery tsy hita noanoa . Ny vokatra aterak'ireny teny ireny dia tahaka ny rivotra iainana mihitsy eo amin'ny fiainana andavan'andro .

    Voatebaka ho mpandainga eo imasom-bahoaka ianao . Mazava loatra fa diso izany , tsy marina velively . Vokatr'io matetika dia tezitra ianao , na farafahakeliny dia hahatsiaro tena ho voaloto , voahosom-potaka , voa-ompa (afatsy ohatra angaha hoe nifono Herintsaina nahafahanao nampiasa izany ho fanefitra amin'ny Baikobitsika miiba ianao) .

    Diniho tsara anefa , fa tsy nisy fahamarinany velively ilay fiampangana ,nefa nahatonga anao hisafoaka . Io fiampangana io dia tsy inona akory fa TENY fotsiny ihany , nefa jereo ny vokany , vokany aiza ? Vokany eo amin'ny inona ? Miantefa amin'ny inona ?

    Ny AF , arak'io hitanao io dia mandray , MANOINA , tsy ankifidy na DISO na MARINA ilay Eritreritra na Hevitra . Hovelabelarintsika any aoriana io resaka io , zava-dehibe loatra mantsy io . manambara amintsika io fa ny AF dia karazana saha lonaka ka maniry eo daholo izay afafy rehetra .

    Ohatra hafa mikasika ny Herimiafin'ny TENY . Misy olona iray milaza aminao fa tia anao . Raha mety aminao ny salovany dia hidobodoboka be ny fonao , "hitsonika aminy ianao , tsisy fanafana intsony " . Kanefa TENY fotsiny ilay renao . Mety tsy mandainga ilay olona , nefa koa mety mba mananihany fotsiny . Fa ny matotra aloha dia ny AF-nao dia nandray ilay Baikobitsika , ka nanoina tamina marika hitamaso teo ivelany .

    Mandokadoka , niarahaba anao ny Patrô-nao tao ampiasana . Mety tsy mino na teny iray akory amin'izay lazainy angamba izy , kanefa nanohina anao ilay voalazany , nitombo ny fitokisan-tenanao , ny fahavitrihanao ihany koa .

    Ohatra hafa indray , any amin'ny tontolo hafa , nefa henjana kokoa . Ity dia zava-nisy tena niseho tokoa . Tonga mba hitily ny fahasalamany ity olona iray . Nambaran'ilay Dokotera taminy fa tratran'ny areti-mandoza izy ary tsy hay sitranina intsony ka voa-ozona ho faty izy noho izany . Tsy misy afa-tsy volana vitsivitsy sisa dia ny rangolahy no sakaizany . Mazava loatra fa saika torana izy nadre izany nohon'ny tebitebiny . Fa nahoana , hoy izy tany an-tsainy , fa mba nety ihany ny fitiliako ny fahasalamako amin'ny ankapobeny hatramin'izay , nefa tonga amin'izao toe-javatra izao !? Tsy naninon-tsy naninona aho hatramin'izay ! Nanomboka teo dia niova tampoka ny fiainany .

    Nanomboka narary tokoa ilay olona . Tena narary mafy . Ary teo ambavahoanan'ny fahafatesana ilay olona , ary efa saika maty mihitsy raha tsy voavonjy tamin'ny farany tamin'ny alalan'ny fanambarana taminy fa nisy fahadisoana lehibe teo amin'ny Mpitsabo . nifandiso tamin'ny an'olon-kafa ny "dossier médical" .

    Io dia anisan'ny porofo lehibe milaza fa ny AF dia mandray izay BB rehetra , na dia diso aza , indrindra fa resilahatra tamin'izany ny NM (Nymahatsiaro).

    "TENY tsotra" fotsiny dia saika nahafaty an'ilay olona . Ny AF no namita ny ambiny raha tara kely foana .

    Misy , noho izany , ny toetoetra mafonjan'ny AF . Zava-dehibe ny ahafantarana izany mba ahazahoana mampiasa ny Heriny sy mba ifehezana azy koa raha voampiasa amin'ny lafiny zavadratsy izy . Indrindra fa raha avela ho ny hafa no mampiasa azy fa tsy ny Tena (Ny hafa mantsy , na dia ireo havantsika tia antsika aza , dia mahalana no mampiatraika LAHABITSIKA MIABO amin'ny AF-ntsika. Satria na izy ireny aza dia voalahabitsika amin'ny fomba miiba . tsy voatery ho takany ny vokatry ny teniny eo amin'ny manodidina azy ).

    Ny mahakasika izany dia izao : ny AF dia miasa tahaka ny "loupe" sady tahakan'ny "amplificateur" maherivaika tokoa . Tsy afenina fa aoka hazava ny tanjaka sy fatran'ny BB izay voizina sy amafisina lava , ary io dia amin'ny lafiny roa , na ny miiba , na ny miabo .

    Anterina fa ny AF dia MANAKO , MANOINA tsotra fotsiny . Jamba izy . Ny tranga farany nentintsika teto dia manambara izany . Mety ho kisendrasendra fotsiny kosa angamba iny hoy ianao ! Ekeko izany , fa ny lesona azo tsoahina aminy kosa , dia tsy kisendra . Ny fampiharana an'io fomba io dia tsy voafetra , ary isan'andro .

     

    (Hitohy amin'ny hoe : Ny maha-zavadehibe mety hihatra aman'aina ny zavatra teneninao)


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :