• Ny maha-zavadehibe iankinan'ny aina ny zavatra teneninao (na voizinao)

    Noho izany antony izany no anomezana lanjany ny Eritreritra tsakotsakoin'ny Fanahy andavan'andro . Ny tsirairay dia miteniteny irery ao an'Eritreriny ao amin'ny ankapobeny .

    Mba fantatrao ve fa io Fitenenanenan-drery io , na ohatran'ny amaivanina aza , dia misy fiantraikany lehibe amin'ny fiainanao ? Tsy mijanona mihitsy ny fandefasanao BB mankao amin'ny AF-nao , AF izay tahaka ny "éponge" ka mifoka izay rehetra sendra azy , na miabo io na miiba .

    Ataovy indray ny Fitsikeran-tena tsotsotra fa hanampy anao izany . Inona avy ireo Eritreritra mibahana ny tontolonao ? Ny isan'andronao ?

    Maro ny olona , na tsy manao fanahy hiniana aza , no mamerimberina an-tsaina foana ny hoe : "tsy misy manjary mihitsy ny fiainana , sarotra ny fiainana ary mankaleo , ny ankabeazan'ny olona dia ratsy , masiaka , samy reraka ,...."

    Alohan'ny zava-dehibe hiseho, ohatra hoe fihaonana amin'ny Patron itediavana asa , na fihaonana voalohany amin'ny "silampanahy" ,...dia miraradraraka aok'izany ny teny anakam-po . Amin'ny ankapobeny dia miiba , na miampanga tebiteby anaty . Tonga dia raisin'ny AF izany ary ampitomboiny fatratra .

    Amin'ny tranga toy izany dia mazava loatra fa manjary mifanohitra amin'izay mety aminao ny AF-nao . Mety miteraka voka-dratsy misavovona izany . Tahak'izany no mahatonga olona mpihira , manan-talenta harenty voalohany ho tankim-peo . Olona mpanao sehosehatra manadino ny "tsianjery" . Maro dia maro ny ohatra azo entina no tahak'izany .

    (Hitohy amin'ny hoe Atsaharo ny manipy hoditr'akondro amin'ny tenanao , na mitondra ozona ho amin'ny tenanao )


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :