•  

     

    Bonjour et bienvenue sur RAZANISM CONCEPT

    Fa inona moa ny Razanism ? Mety tonga dia hoy ianao hoe : "fiverenana amin'ny fomba na ny nentin-drazana" . Tonga koa angamba dia ho-raisinao ambolony hoe : hiverina hanao salaka indray zany , na koa hoe famadihana ve, efa "tsy amin'izany intsony izahay an" . sns sns,;..

    Ka izay no anomezaka kely fanitsiana eto am-piandohana manao hoe : ny Razanism dia fomba fijery , ary faniriana ny hanefy fanavaozana ny amin'ny fomban-drazana izay tsy nivoatra firy , nefa  ilaina ifikirana  mba hanajàna sy hilolohavana ny an'ny tena . Eo no miditra ilay hoe "Concept" .

    Ketrehana ao noho izany ny

    1)Fitazonana ny mahaizy ny tena  .

    2)Fandrosona ara-toe-karena sy ara-tsosialy ohatra , fa tsy izay ihany

    3)Fandrosona ara-pirenena , araka ny maha-olompirenena ..mba ahafahan'ny Firenen'ny tena ho afa-milahatra , tsy ho mena-mijoro eo anoloan'ny Firenen-kafa .

    4) Fandrosoana ara-tena sy ara-bondrona , mivelatra , matsilo , mahay ,mahalala, hendry,...

    Ka eto dia aleo tonga dia araraotina ny miarahaba sy mankasitraka ireo "herivelona" rehetra , ireo mpanetsiketsika , na ireo maharesilahatra ahy na tsia, na ireo manohitra amin'ny voiziko na mirazotra.

    Apetrako mialoha koa ny hoe : amin'ireo lazaiko fa "mpanetsiketsika" fantatro , dia ao ny mpana-talenta , mpanoratra , ao ny mpanao politika avo lenta , avy eto an-toerana , ao ny monina any Suisse... sy Frantsa  (Parisy, Toulouse...) . Tsaroana daholo izy ireny ka dia hipoahan-tsatroka daholo .

    NB : Mety misy ny artikla amin'ny teny vahiny, ny voambolana sasany dia misy amin'ny teny vahiny koa . Tsy hita moa fa nibahana be ilay fanjanahan-tany frantsay . Fa ampiasaina ihany ny teniny na dia lolohavina aza ny an'ny tena . Tsara koa raha mianatra mivelatra isika noho izay voalaza tetsy ambony ka tsy tokony hiavona amin'ny fahaizana fitenim-pirenena hafa.

    Dia tonga soa Tompoko e!

     

     


    votre commentaire