• Misy ny olona misalasala , miahiahy mahakasika ny Hypnozintena ka mahavatra manambara aza fa ny marivosalosana sy ireo tsy manan-kazondamosina no afaka mampiasa ny Hypnozintena.

    Mifanipaka tanteraka amin'ny fahamarinana nefa izany. Ny traikefa dia mamamporofo ny mifanohitra amin'izany. Tsy ny traikefako ihany fa ny an'ireo dokotera maro , ireo psykology sy mpitsabo isan-karazany.

    Ambonin'izany , maro ireo olo-malaza tahaka an-dry Henri Ford , Thomas Edison , ireo Mpanakanto sy mpanoratra fanta-daza maro dia mampiasa ny Hypnozintena ho fitaovana hanampy azy ireny . Ny tsirairay, na toa inona na toy inona toetrany amin'izao , dia samy afaka hahomby avokoa amin'ny fampiasana ny Hypnozintena tsy misy raorao .

    Fantaro koa fa na tsy manampo izany aza ny tenanao , dia efa niharan'ny Hypnozy . Ny tenanao ihany no antony . Rehefa liana tanteraka eo am-pamakiana boky tantara , na eo am-pijerena sarimihetsika , na eo am-pihainoana mozika , rehefa iny tsy mahatsiaro intsony ny firiotran'ny fotoana iny satria revo amin'ny asa na taozavatra atao , rehefa sondriana sy mitolagaga eo ampihainoana mpikabary mahay manintona -ary vakivava mihitsy aza indraindray ny sasany ka mahalaza fa voapnozin'ilay mpikabary ny tenany . Ireny rehetra ireny dia efa karazan'ny toetra Hypnozy daholo .

    Noho izany dia voajanahary tokoa io toetra io , ary ny tahotra mikasika azy dia tsy mitombina.

    NY HYPNOZY DIA TOETRA VOAJANAHARY IRAY AO AMIN'NY NYMAHATSIARO (Conscience) .

    Ny fitandremana tokana tokony atao an-tsaina dia ny hampiasana ny Hypnozintena amin'ny aradalàna mikasika ny soa ho an'ny tena .Satria hotsapantsika tsara eto am-pamakiana ireo pejy ho avy manaraka fa ny herin'ny Hypnozintena na ny Hypnozy dia miasa tsy mitsahatra amin'ny fiainatsika . Tandremo nefa fa amin'ny ankapobeny dia tsy tsapantsika akory ilay izy kanefa io heriny io dia mety MANOHITRA antsika .

    Tsara vintana tokoa ianao noho izany mamaky an'izao voasoratra izao anio fa tsy amin'ny herintaona , na afaka folo taona , satria raha tsy miaiky afatsy io fahamarinana izay zava-dehibe io aza ianao , dia efa tsy very andro sy fotoana fotsiny aho nanoratra sy nanajary ity fampianarana ity .

    Ny marina ny hoe , ny fiainanao no taratry ny eritreritrao ary hiverenantsika matetika ny mikasika an'io amin'ireo pejy ho avy .

    Raha fintinina hatreto dia azo lazaina fa fitaovana "moderne" , tsotra indrindra , mahery indrindra ny Hypnozintena ahafahana mifandray amin'ny Atifanahy ka hampiasana ny herivaikan'ito farany .

    (Hitohy amin'ny hoe : Ny herivaika mahagagan'ny Atifanahy)


    votre commentaire
  • Iverenantsika kely ny fahasamihafana misy voalaza tany amboalohany eo amin'ny Hypnozy sy ny Hypnosintena . Ny Hypnozy dia misy ny Mpanao ary misy ny Iharana .Ny Mpanao Hypnozy dia mizaka ny fanaovana rehetra , fa ny Iharana kosa dia mandray ny baiko sy sosonkevitra rehetra .

    Tonga dia tsipihina eto fa ny Iharan'ny Hypnozy dia tsimaintsy resilahatra ka manaiky sy mankatoa ary antsitrapo fa tsy terena mba hihazo ny toetra Hypnozy . Tsy araka ny eritreretin'ny olona sasany nefa , fa ny Iharany dia tsy hanaiky rahateo ny zavatra mifanohitra amin'ny Fotompinoany manokana .

    Misy ny Literatiora maivankitsaka na tahirin-tsrimihetsika pentsambava no mivoy fa voahitsaka ny Iharana. Nefa tsy mitombina velively izany.

    Na izany na tsy izany nefa dia tsy misy atahorana ny voiziko satria amin'ny Hypnozintena dia ny tenanao ihany no mizaka ireo mpilalao roa ireo dia ny Mpanao sy ny Iharana izany. Ianao no Mpanao ny Hypnozy, ary ianao ihany koa no Iharan'ny Hypnozy. Feno ny fahalemana arak'izany.

    Ambonin'izany dia tsy sarotra ny mihazo ny Hypnozintena sady mora , tsy mandany vola . Ianao ihany no miatrika ny tenanao . miaraka sy miatrika ny faran'izay lalina sy faran'izay matanjaka amin'ny maha ianao anao . Miditra lalina anatin'ny maha-olona anao.

    Tsy arentinao amin'olon-kafa ny olanao . Ianao tenanao ihany no miahy ny aminao , misahana ny vatomisakana tianao hihoarana sy ireo fahazarandratsy tianao hialana . Tsy izany va no tediavina ?

    (Hitohy amin'ny hoe : Hiety aminao va ilay izy? )


    votre commentaire
  • Inona no atao hoe "suggestibilité" ? Tsotra dia tsotra , tsy inona akory fa ny fahafahana sy fankatoavan'ny atifanahy ny fandraisana ny toromarika atolotry ny Nymahatsiaro (conscient). Toromarika na baiko miraika ary voaomana mahakasika ny fanirian'ilay olona mpandray.

    Zavadehibe ny ahazahoana tsara an'io teny io. Satria ny Hypnozintena dia hairaha ahafahana miditra malalaka sy mora mba ifandraisana amin'ny Atifanahy ka hanovozana ny soa avy aminy , hampiasana azy hitondra soa ho an'ny tena fa tsy hanimba ny Tena (fanimbana ny Tena izay mateti-piseho indrisy).

    Efa voaporofo fa ny ankabeazan'ny olombelona dia tsy mampiasa afatsy ny 10% n'ny atidohany . Misy aza, mpikaroka maro, milaza fa 4% fotsiny izany.

    Ny Hypnozintena dia mampakatra marindrano an'izany tarehimarika izany ka ahafahana mampiasa azy mba hitrandrahana ny herimiafin'ny Atifanahintsika (Ny fanahy no maha-olona hoy ny Ntaolo , RC)

    Efa hatrizay naha tany ny tany no nantitranterin'ny manampahendrena fa tokony hifoha ireo matory. Ka ny Hypnozintena dia manampy izany fifohazana izany . Izy no fomba tsotra sy haingana indrindra ahafahantsika mihazo ny tanjona tratrarintsika ka hitsikasinan'ny MAHAIZY antsika sy ivelarantsika amin'ny fahalalahana tanteraka.

    Tsotra ,

    Ho tsapanao eto am-pamakiana izany . Ombieny ombieny dia nisy ny fanatsarana natao arakaraky ny tsikera sy ny fifanakalozana tamin'ireo olona nampianariko. Noho izany dia izay mahay mamaky rehetra dia ho afaka ny hiova fenitra ara-piainana amin'ny alalan'ny Hypnozintena.

    Malaky ,

    Eo am-piandohana fotsiny , andro vitsivitsy fotsiny , dia hotsapanao ny fiovana mahagaga miandry anao .Fiovana izay efa nandrasanao ela angamba , ary angamba koa efa ELA LOATRA .

    Tonga ny andro , ela ny ela , andraisanao an-tanana ny hoavinao ka ibaikonao ny fiainanao fa tsy hahatonga anao hobaikony lalandava.

    Herinandro vitsy , rehefa manao fampiharana mandritra minitra vitsivitsy isan'andro , dia ho gaga amin'ny tenanao ianao. Ho tonga olom-baovao ianao . Olom-baovao izay efa nirinao hatry ny ela . Olona mivelatra, niha-matotra , miha-sambatra . Mizaka aradalàna sy mandray an-tanana ny hoavinao. Ka moa tsy izany va no nofinofy irin'ny rehetra , na lahy na vavy ?

    (Hitohy amin'ny hoe : Fiovana tsy misy tahotra )


    votre commentaire
  • TOKO VOALOHANY

    Inona no hevitry ny hoe "HYPNOZINTENA" ?

    Ny fomba tsotra indrindra azo anazavana ny hoe "Hypnozintena" dia ny fanazavana ny atao hoe HYPNOZY.

    Raha ny fakan-teny no jerena dia grika "hypnos" no niandohany. Ka Andriamanitry ny torimaso no resahana. Marina fa ny toetra hypnotika dia mitovitovy amin'ny toetra torimaso. Nefa hatreo ihany ny fampitahana dia mijanona.

    Eny tokoa , satria ny olona iray amina toetra hypnozy dia mitovitovy amina olona matory . Ny maha-samy hafa ny toetra matory sy ny toetra Hypnozy dia ny toetra "mahatsiaro" an'ity farany , fantany ny miseho rehetra . Izany toetra izany dia mbola maranitra kokoa nohon'ny "mahatsiaro" andavanandro aza , fa saingy ny sokajiny fotsiny no samy hafa.

    Tahakahaka ny nofy "mahatsiaro" izany io toetra io . Ny fitsakotsakoankevitra sy ny finiavana dia soloin'ny sariantsaina sy fanambatambarankevitra malalaka . Mahazo vahana eo amin'ny vatana sy ny saina ny "FIKETRAHANA"

    Indraindray ilay olona mety hahatsiaro tena ho hendratra . Satria tsy mihetsika izy , ka noho izany dia tsy miatrika fahatsapana ara-batana , ka mamela azy hampifantoka ny sainy amina eritreritra na fandrenesana manokana .

    Fa ny tena zava-dehibe amin'ny toetra Hypnozy (izay antsoina koa amin'ny hoe "toetra alpha" ahatsapana fihenan'ny onjanatidoha , "onde cérébrale" ) dia izy ahafahana manandratra avo ny fandairan'ny toromarika amin'ilay olona iharany.

    (hitohy amin'ny hoe :Ireo Hery miafina anatinao)

     


    votre commentaire
  • Fampidirana

    Ahoana ny fomba ampiasanao an'ito FAMPIANARANA ito?

    Ity boky ampelatananao ity no boky faran'izay soa indrindra ho an'ny fibeazana na fandrosoanao ara-tena , ho an'ny fahombiazanao. Nefa raha hotehirizinao fotsiny fa tsy hovakianao dia handamoka fotsiny ny ezaka ataoko manoratra azy.

    Vakio ary , ary avereno vakiana foana , indrindra koa , ampiharo amin'ny fiainana. Aza tonga nefa dia maika fotsiny ny hanao hintsin-dalana ka ho tonga dia hivantana any amin'ny hoe :" ahoana no fomba ahombiazana ny Hypnozintena" . Raha tsy voafehinao tsara aloha ny toko voalohany , dia avereno vakiana . Ekeko fa somary lava, nefa zavadehibe loatra.

    Ny fampianarana dia natao amin'ny teny tsotra sy mazava , mba ho tenivelona ka handaitra tsara any amin'ny ATIFANAHI-NAO (subconscient).

    Ny Dr STEEVENS izay mpandray anjara tamin'ity fampianarana ity dia mpahaimanokana fanta-daza indrindra amina resaka Hypnozintena . Namarininy daholo ireo toko sy andininy rehetra ary misy aza notentenany . Azo atao ny manindriindry noho izany fa eo ampelatananao ankehitriny ny boky fampianarana faran'izay TONGALAFATRA indrindra.

    Raha ohatra nefa te hitrandraka toetrolana manokana dia ianaro tsara aloha ny toko roa voalohany . Aorian'izay vao mitady ny toko miresaka ny zavatra tian-kotediavina amin'ny alalan'ny fanoroampejy.

    Na izany aza nefa , dia tsara raha vakiana daholo ireo toko rehetra na dia tsy hifantoka afatsy amin'ny toko roa voalohany sy izay toko misy ny ketrehinao manokana aza ianao.

    Antenaiko fa hanampahazotoana lavitra nohon'ny tenako aza ianao amin'ity teknika ity sy ny vokatra aterany ho anao. Tsy misy fetrany ny vokatsoa azo . Ny hany fetra tokana mety hisy angaha dia ny fetran'ny fieritreretanao ihany .

    Mivonöna ary amin'ny dia . Sinkino ny lamba , fa hisidina ho any amin'ny fahombiazana , ho any amin'ny fahasalamana , ary fahasambarana ianao.

    Christian H GODEFROY ( S'aider soi-même par l'auto-hypnose , dika malalaka nataon'i TV)

    Tohizo eto


    votre commentaire