• Nianjadian'ny Herin'ny Teny ianao , Hery tsy hita noanoa . Ny vokatra aterak'ireny teny ireny dia tahaka ny rivotra iainana mihitsy eo amin'ny fiainana andavan'andro .

    Voatebaka ho mpandainga eo imasom-bahoaka ianao . Mazava loatra fa diso izany , tsy marina velively . Vokatr'io matetika dia tezitra ianao , na farafahakeliny dia hahatsiaro tena ho voaloto , voahosom-potaka , voa-ompa (afatsy ohatra angaha hoe nifono Herintsaina nahafahanao nampiasa izany ho fanefitra amin'ny Baikobitsika miiba ianao) .

    Diniho tsara anefa , fa tsy nisy fahamarinany velively ilay fiampangana ,nefa nahatonga anao hisafoaka . Io fiampangana io dia tsy inona akory fa TENY fotsiny ihany , nefa jereo ny vokany , vokany aiza ? Vokany eo amin'ny inona ? Miantefa amin'ny inona ?

    Ny AF , arak'io hitanao io dia mandray , MANOINA , tsy ankifidy na DISO na MARINA ilay Eritreritra na Hevitra . Hovelabelarintsika any aoriana io resaka io , zava-dehibe loatra mantsy io . manambara amintsika io fa ny AF dia karazana saha lonaka ka maniry eo daholo izay afafy rehetra .

    Ohatra hafa mikasika ny Herimiafin'ny TENY . Misy olona iray milaza aminao fa tia anao . Raha mety aminao ny salovany dia hidobodoboka be ny fonao , "hitsonika aminy ianao , tsisy fanafana intsony " . Kanefa TENY fotsiny ilay renao . Mety tsy mandainga ilay olona , nefa koa mety mba mananihany fotsiny . Fa ny matotra aloha dia ny AF-nao dia nandray ilay Baikobitsika , ka nanoina tamina marika hitamaso teo ivelany .

    Mandokadoka , niarahaba anao ny Patrô-nao tao ampiasana . Mety tsy mino na teny iray akory amin'izay lazainy angamba izy , kanefa nanohina anao ilay voalazany , nitombo ny fitokisan-tenanao , ny fahavitrihanao ihany koa .

    Ohatra hafa indray , any amin'ny tontolo hafa , nefa henjana kokoa . Ity dia zava-nisy tena niseho tokoa . Tonga mba hitily ny fahasalamany ity olona iray . Nambaran'ilay Dokotera taminy fa tratran'ny areti-mandoza izy ary tsy hay sitranina intsony ka voa-ozona ho faty izy noho izany . Tsy misy afa-tsy volana vitsivitsy sisa dia ny rangolahy no sakaizany . Mazava loatra fa saika torana izy nadre izany nohon'ny tebitebiny . Fa nahoana , hoy izy tany an-tsainy , fa mba nety ihany ny fitiliako ny fahasalamako amin'ny ankapobeny hatramin'izay , nefa tonga amin'izao toe-javatra izao !? Tsy naninon-tsy naninona aho hatramin'izay ! Nanomboka teo dia niova tampoka ny fiainany .

    Nanomboka narary tokoa ilay olona . Tena narary mafy . Ary teo ambavahoanan'ny fahafatesana ilay olona , ary efa saika maty mihitsy raha tsy voavonjy tamin'ny farany tamin'ny alalan'ny fanambarana taminy fa nisy fahadisoana lehibe teo amin'ny Mpitsabo . nifandiso tamin'ny an'olon-kafa ny "dossier médical" .

    Io dia anisan'ny porofo lehibe milaza fa ny AF dia mandray izay BB rehetra , na dia diso aza , indrindra fa resilahatra tamin'izany ny NM (Nymahatsiaro).

    "TENY tsotra" fotsiny dia saika nahafaty an'ilay olona . Ny AF no namita ny ambiny raha tara kely foana .

    Misy , noho izany , ny toetoetra mafonjan'ny AF . Zava-dehibe ny ahafantarana izany mba ahazahoana mampiasa ny Heriny sy mba ifehezana azy koa raha voampiasa amin'ny lafiny zavadratsy izy . Indrindra fa raha avela ho ny hafa no mampiasa azy fa tsy ny Tena (Ny hafa mantsy , na dia ireo havantsika tia antsika aza , dia mahalana no mampiatraika LAHABITSIKA MIABO amin'ny AF-ntsika. Satria na izy ireny aza dia voalahabitsika amin'ny fomba miiba . tsy voatery ho takany ny vokatry ny teniny eo amin'ny manodidina azy ).

    Ny mahakasika izany dia izao : ny AF dia miasa tahaka ny "loupe" sady tahakan'ny "amplificateur" maherivaika tokoa . Tsy afenina fa aoka hazava ny tanjaka sy fatran'ny BB izay voizina sy amafisina lava , ary io dia amin'ny lafiny roa , na ny miiba , na ny miabo .

    Anterina fa ny AF dia MANAKO , MANOINA tsotra fotsiny . Jamba izy . Ny tranga farany nentintsika teto dia manambara izany . Mety ho kisendrasendra fotsiny kosa angamba iny hoy ianao ! Ekeko izany , fa ny lesona azo tsoahina aminy kosa , dia tsy kisendra . Ny fampiharana an'io fomba io dia tsy voafetra , ary isan'andro .

     

    (Hitohy amin'ny hoe : Ny maha-zavadehibe mety hihatra aman'aina ny zavatra teneninao)


    votre commentaire
  • Tonga ao ao amin'ny birao ianao ny marainy . Somary sorena amin'ny olana tsimaintsy hatrehana . Nefa ianao mbola reradreraka tamin'ny fety natrehana ny omaly (Normale , tsingerintaonanao ) . Maikamaika be ihany ianao ka zara aza fa nanam-potoana higohana kafé . Na izany aza nefa dia "en forme" ianao . Sahirana kely fotsiny nohon'ny mahazatra fa tsy misy atahorana amin'ny ankapobeny .

    Mifanena sy manao manahoana anao ny mpiara-miasa iray , mitsiky izy aloha , fa avy eo dia mikentrona , manahy ny aminao ka miteny hoe : "Toa ohatran'ny tsy ao loatra ianao izany angaha zoky ? ". Mamaly ianao milaza fa tsy misy atahorana ka, salama! Dia mitsiky aminy ianao.
    "Tokony hiala sasatra ianao na izany aza" hoy ihany ilay Ra-namana , tsy te hisangy ! Dia miteny an'eritreritra ianao manao hoe : "Inona koa no idirako !!Ny azy aza tsy afany !"

    Manjohy ny lalantsara ianao dia mifanena amin'ny mpiara-miasa hafa indray . Miahiahy ny momba anao koa ilehio ka manontany : "Voan'ny sery angaha ianao izany zoky ? " . "Ny ambavafo fotsiny angamba ka !, tsy maninona , tsisy atahorana " hoy ianao namaly azy .

    Tsapanao angamba fa tsy ilay fetifety kely nahafinaritra omaly intsony no fanazavana anton-javatra naroso fa efa zavatra hafa mihitsy . Nilefaka , nanome vahana tsikelikely ilay "Baikobitsika" ianao . Ka raha sanatria ianao mifanena amina mpiara-miasa fanintelony ka mahazo fanamarihana mitovitovy amin'ireo roa voalohany , dia ho-VITA NY AMINAO . Hihazakazaka ianao hitady fitaratra ijerenao ny tavanao . Tsapanao tokoa amin'izay fa misy faharerahana ny endrikao . Fiandohana gripa mahery angamba . Na koa aretim-bavony (ulcère) izay efa noeritreretinao fa efa sitrana tanteraka no niverina aminao indray .Tsy renao tokoa ve fa nisy naharary kely ny kibonao ?

    Mandroso ny ora , maneno ny finday , miavosa ny olana ao ampiasana , ary farany dia tsy "TAFA" intsony fa tena tsy metimety mihitsy ianao . Tsy nahahinan-kanina firy ny atoandron'io ka nanapa-kevitra mihitsy ny hody haingana any an-trano mba hitsotsotra . Angamba mikotrika gripa .

    Io toe-javatra io dia matetika miseho ary tena mety tsara mihitsy amin'ny ohatra . Satria inona no tena nahazo anao tamin'io sarintsarin-tantara io ? Tsy inona akory , fa voan'ny "Baikobitsika" ara- TENY ianao .

    Ny Atifanahinao dia nanaiky ny Baikobitsika avy any ivelany izay nekeny anaty ka nampihariny sy nampisehony tamin'ny alalan'ny aretina , kanefa ny mazava , dia tsy narary akory ianao .

    (Hitohy amin'ny hoe : ny AF dia mpanitatra matanjaka)


    votre commentaire
  • Ny Atifanahy dia ambany fahefan'ny Mpanao (sous la loi de la causalité) . Tahaka ny tontolon'ny Misy (monde physique) izay iainantsika ihany .

    Ny "ERITRERITRA " rehetra dia efa "ASA" daholo . Izany hoe ny "Eritreritra" dia efa Mpanao ( Antony) izay miteraka vokany eny ivelany . . Tsy misy mahagaga izany rehefa dinihina . Fiteny tokoa ny hoe " Ny Eritreritra no mitantana izao tontolo izao " .

    Ny marina dia ny "Eritreritra" na ny "Hevitra" no loharanon'ny Asa rehetra , na ny Famoronana rehetra . Na ny fanaovana ny Asa faran'izay tsotra indrindra tahaka ny fanisahana akalana aza dia tsimaintsy nialohavan'ny fananana ilay Hevitra .

    Hoy ianao angamba hoe : ny Asa sasany dia mandeha ho'azy , marina izany , nefa alohan'ny mampandeha ho'azy ilay Asa dia nisy foana ny Eritreritra nialoha izay .

    Ny Atifanahy dia saha , na taninketsa . Ka mba anohizana ny fampitahana dia ndeha ho tsorina hoe mizaka ny lalàn'ny "masomboly" ny Atifanahy .

    Ka io lalàna na Fahefan'ny tontolo Fizika io dia mihatra tanteraka , mihatra tsotra izao eo amin'ny tontolon'ny Fanahy sy Saina ary koa amin'ny fiainana hitamaso ankapobeny . Mazafa ho'azy fa raha mamafy vary amin'ilay taninketsa ianao amin'ny lohataona , dia tsy ho gaga raha ho vary koa no hojinjainao raha fararano .

    Io lalàn'ny Mpanao io dia mihatra tsiazontsampona ho an'ny Atifanahy . Ka noho izany , mba hiasan'ny Atifanahinao tanteraka , sy matanjaka , ho anao , dia tsimaintsy mamafy "masomboly" ianao manomboka izao . Ka ny "masomboly" dia ny Eritreritra na Hevitra MIABO . Eritreritra fahafinaretana , Eritreritra fahasambarana , fahombiazana , fahasalamana , fitiavana , fiadanana , fitoniana ....

    Tsimaintsy manefy Rindrabitsika (programme) ao aminao ianao . Aza hadino izay . Tadidio ny voalaza momba ny ordinatera . Raha vao eken'ny Atifanahy ny Eritreritra iray , dia manomboka mampihatra an'iny izy . Ohatran'ny hoe moramora ery izany , fa ahoana ny fomba atao mba handaminabitsika miabo ? Izay no hoketrehintsika amin'izay holazaina manaraka eto . Hohitanao fa tsotra dia tsotra .Ho gaga ianao ny amin'ny fahatsoran'ny zohin-dalany izay mivimbina vokatra manerana.

    (Hitohy amin'ny hoe : Ny fahefan'ny TENY)


    votre commentaire
  • Tsy mora ve izany raha tenenina hoy ianao !?Voarindrabaiko miabo na miiba ? Fa ahoana no ahafantarana an'izany? Dia hoy aho mamaly izany : MORA , ho fantatrao izany raha mamaky izay manaraka eto ianao .

    Raha mifoha iny ianao ny maraina , ka mahatsapa fa mbola reraka kokoa aza nohon'ny omaly . Raha manana olana lehibe amina resaka toaka ianao . Raha manana firehana ho azon'ny "dépression" ianao . Raha tsy afa-po amin'ny fiainana ara-pitiavana ianao . Raha misy olana ara-pitaovam-pananahana ianao , raha marary lava . Raha kivy sy ketraka ka tsy misy intsony manintona anao . Tsy te hanao n'inon'inona ianao . Tsy te hiaina intsony ianao , ary tsy mahita ny antom-pisianao intsony . Izany rehetra izany , sy ny maro hafa tsy hotanisaina , dia midika fa "voarindrabitsika" miiba ianao .

    Raha ny mifanohitra amin'izay kosa dia "voarindrabitsika" miabo ianao izany . Tahaka ny milalao ianao amin'ny fiainana , mazava loatra fa eo koa ny fahasarotana ombieny, nefa aminao dia fahafinaretana aza ny miatrika izany . Feno risim-po ianao , matanja-tsaina . Mahaliana anao ny ataonao rehetra . Salama sy tomady ianao . Tsy mitsaha-mirotsaka ny hevitra sy ny tetikasa ary ny faniriana . Ireo mpiara-belona dia voasintona mankaminao toy ny vovo-by mankamin'ny andriam-by . Ny vola miditra aminao , ampy tsara , ny olana ara-bola , mahalana ary mandalo ihany raha misy . Sambatra ny tokantranonao . Tafarina mora foana ianao raha sendra misy izay manjo . Tarehy miramiran-dava sy fahafinaretana foana no hita taratra eny aminao .

    Raha mikasika anao ny tahak'izany dia anisan'ireo antsoin'i Stendal hoe "Happy few" ianao . Izany hoe "olomboafidy" , ireo "vitsy an'isa" . Olona miabo .

    Raha tsy izany nefa no zava-misy , dia aza kivy , sanatriavo , alaviro ny famoizam-po .

    Omeko anao amin'ireo toko ho avy manaraka ny fitaovana anaovanao ny Rindrabitsika vaovao anatin'ny herinandro vitsivitsy monja . Hanaradia ireo sarangan'ny "olomboafidy" ianao amin'izay . Ho tafiditra ao anatin'ny fikambanan'ny finaritra .Ny marina dia efa manomboka sahady ianao , efa manomboka ho anisan'ny fianakavian'ireo tena "RAITRA" sahady , satria namaky ity boky ity hatreto .

    (Hitohy amin'ny hoe : Ahoana no fomba ampiasana ny Atifanahy hahasoa anao ?)


    votre commentaire
  • Tiako indray aloha ianao raha miato amin'ny famakiana fa hijery kely ny mikasika ny Rindrabitsika voarainao amin'izao fotoana .

    Raha tsy dia idirantsika ny antsimpirihany mety hampisy ny fifahasamihafana kely ombieny ombieny , dia azo lazaina ho mizara roa amin'ny ankapobeny ny sokajina Rindrabitsika (Lahabitsika na programmation) :
    -Ny Miabo .
    -Ny Miiba .

    Manontany tena ianao hoe : aiza amin'ireo sokajy ireo no misy ahy ?

    Raha Miabo ianao amin'ny fitambarany , tsy mahagaga izany ary porofoin'ny famakianao ny asa-soratra tahak'itony . Satria ny olona miabo dia miandrandra foana ny hiaradia amin'ny olona miabo . Mikatsaka ny mamaky boky na asa-soratra mandrisika sy mampitombo fivoaran-tena (développement personnel) . Raha izay dia soa rahateo .

    Ny fampianarako dia ilainao amin'ny fomba roa :
    -Mba ahafahanao manampy ny hafa (vady , mpiara-miasa , namana , Ray aman-dReny ...) amin'ny Fandaharabitsika ara-tsiantifika .
    -Ho anao manokana satria na dia miabo aza ianao amin'ny ankapobeny dia misy foana "indrokely" ombieny ombieny , mety ho aloka ara-piainana , tsy fahafaham-po manokana (miafina) , na saham-piainana azo atsaraina .

    Arak'izany , na dia eo aza ny endrika sariaka sy faly lalandava , dia manam-paniriana ny hiala sigara ianao satria tsapanao fa manimba ny fisefoanao izany .

    Angamba koa efa mandray karama betsaka ianao nefa manontany tena hoe ahoana no atao mba hitombony ihany ? Fantatrao ve fa ny famakianao an'ity boky ity ka ampiharanao ny fomba voiziny , dia mety hampitombo avo roa heny ny karamanao?

    Angamba maniry ianao ny ho afa-po bebe kokoa amin'ny fiainana . Rariny sy hintsiny tokoa ny fanirina toy izany . Ary hihezaka aho hanampy anao mihoatra nohon'ny azonao eritreretina .

    Raha miiba kosa ianao amin'ny fitambarany , dia ekeo fa vao avy nanao dingana lehibe ianao amin'ny fahatsapana , ary koa amin'ny fiaikena an'izany . Aza matahotra na izany aza fa tsy "farafaty io ka itomaniana am-piakarana" . Tsy misy mantsy , Rindrabitsika miiba , na dia ny efa niorim-paka lalina indrindra aza , ka tsy ho afa-miongotra .

    Omeko anao any aoriana kely ny fomba anongotana , andravana , amongorana ny Rindrabitsika miiba sy ny fomba amafazana ny miabo mba ahafahanao manova ny maha ianao anao tanteraka .

    Ny famakafankan-tena ataonao rahateo dia efa anisan'ny fiatombohana hentitra mankany amin'ny famotehana ny Rindrabitsika miiba . Hitanao ny fahalemenao , tsikaritrao ny tsy fahafaham-ponao . Kanefa alao hazava tsara ilay hoe : "HITANAO"

    Tsy mampirisika anao hanao asa "psychanalyse" aho akory . Izany hoe : tsy mangataka anao mba hampitsikasina ireo ANTONY nahatonga anao ho voabaikobitsika miiba aho . Ireny antony ireny mantsy dia matetika maizimaizina , manjavozavo , ary lavitra sy lalina , mety hifaka lalina tany amin'ny fahazazana mihitsy . Matetika koa izy ireny dia miafina lalina any antsefatsefaky ny Atifanahy .

    Ny "psychanalyse" dia nitondra avo ny fahalalana "ara-tsoratra" mikasika ny Fanahin'olombelona . Tsipihina tsara ny "ara-tsoratra" (théorique) . Fa kosa , ny ara-traikefa (pratique , empirique) dia tsy mahafa-po loatra na dia ny an'ireo psychanalystes kalazalahy aza .

    Ny "fitsaboana" (fanarenana) mantsy dia lavabe sady lafobe amin'ny ankapobeny nefa ny vokany tsy matotra , tsy azo antoka . Ny marina , dia maro ny psychanalystes no miaiky sy vakivava fa ireo fahombiazana azo dia avy amin'ny "fotoana" mandeha fa tsy voatery ho avy amin'ny traikefan'ny mpitsabo .

    Tonga ato antsaiko noho izany ny fampitahana ny Hypnozintena sy ny "psychanalyse" . Tsy fiampangana sanatria fa mba fanehoana fotsiny ny elanelana misy eo amin'ny vokatra azo .

    Fampitahana :
    -Ny Fanahinao na ny maha-ianao anao dia tahaka ny fiarakodia . Ka misy fahasimbana io fiarakodia io , nefa tsy mahay n'inon'inona amina "mekanika" ianao . Mankany amin'ny Mekanisian nitaritana ny fiaranao ianao , dia azavainy aminao amin'ny antsimpirihany ny olana misy . Mazava tsara , fa saingy tsy amboariny . Torak'izay ny Psychanalyste.

    Lasa kosa indray ianao mitady Mekanisian hafa , sokafany ny "capot" ary vetivety foana dia voavahany ny olana nisy tamin'ny motera . Lazainy tsotsotra fotsiny ny olana nisy mba hanamarinany ny vola ampandoaviny anao . Fa ny zava-dehibe dia mandeha indray ny fiaranao , voavaha ny olana . Tahak'izany ny Hypnozintena . Resaka asa , resaka traikefa , resaka vokatra .

     

    (Hitohy amin'ny hoe : Manatona ny sarangan'ny olom-pinaritra )


    votre commentaire